<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Tsaroanay tokoa izao FFPM20</title>
<lyrics>[V1]
 Tsaroanay tokoa izao
 Ny soa be noraisainay
 Tsy tapaka avy taminao
 Ry Andriananaharinay !

[V2]
 Ny lasa itodihana
 Dia mampiseho avokao
 Ny tanam-pitiavana
 Miahy sady manasoa.

[V3]
 He ! koa ity andronay ity,
 Izay diavinay izao,
 Dia voahodidina erý
 Ny fitahiana aminao !

[V4]
 Dia tokinay tokoa izao
 Fa mbola ho arovanao
 Anio, ampitso, rahatrizay,
 Izay miankina Aminao.

[V5]
 Ka dia mba velomy re
 Atý anatinay ny fo
 Hahay misaotra Anao anie
 Ry Rainay be famindram-po !</lyrics>
<hymn_number>20</hymn_number>
<author>R.H. Earnshaw</author>
</song>